-
Genesisy 20:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Dia niteny taminy tao amin’ny nofy Andriamanitra hoe: “Fantatro fa tamin’ny fo madio no nanaovanao an’izao, ka nosakanako tsy hanota amiko ianao. Izany no antony tsy namelako anao hikasika azy.
-
-
2 Tantara 26:16-18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Vao natanjaka anefa izy, dia nirehareha ny fony, ka nitondra loza ho azy izany. Koa nivadika tamin’i Jehovah Andriamaniny izy, dia niditra tao amin’ny tempolin’i Jehovah mba handoro emboka manitra teo amin’ny alitara fandoroana emboka manitra.+ 17 Tonga dia niditra nanaraka azy i Azaria mpisorona sy ny mpisoron’i Jehovah 80 lahy be herim-po. 18 Dia nanohitra an’i Ozia Mpanjaka izy ireo, ka niteny taminy hoe: “Tsy mety, ry Ozia, raha ianao no mandoro emboka manitra ho an’i Jehovah.+ Ny mpisorona ihany no tokony handoro emboka manitra, satria ry zareo no taranak’i Arona+ sady efa nohamasinina. Mivoaha ato amin’ity toerana masina ity fa nivadika tamin’Andriamanitra ianao, ary tsy hahazo voninahitra avy amin’i Jehovah Andriamanitra amin’izao ataonao izao.”
-