-
Matio 27:41-43Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
41 Nanesoeso hoatr’izany koa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny anti-panahy, sady niteny hoe:+ 42 “Ny hafa novonjeny, nefa ny tenany tsy hainy vonjena! Izy no Mpanjakan’ny Israely.+ Aleo izy hidina avy eny amin’ny hazo fijaliana,* dia hino azy isika. 43 Natoky an’Andriamanitra izy. Koa raha tia azy Andriamanitra, dia tokony hamonjy azy,+ satria izy niteny hoe: ‘Zanak’Andriamanitra aho.’”+
-