-
Genesisy 1:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Ary hoy Andriamanitra: “Aoka hiangona eo amin’ny toerana iray ny rano eny ambanin’ny lanitra, ary aoka hipoitra ny faritra maina.”+ Dia nisy izany.
-
-
Joba 38:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Ka nilaza hoe: ‘Hatreto ihany no azonao aleha fa tsy mahazo mihoatra,
Ary eto no hijanona ny onjanao misamboaravoara’?+
-
-
Salamo 136:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Namelatra ny tany teo ambonin’ny rano izy,+
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.
-
-
Jeremia 5:22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 ‘Tsy mba matahotra ahy ve ianareo’, hoy i Jehovah.
‘Tsy tokony hangovitra eo anatrehako ve ianareo?
Izaho ange no nanao ny fasika ho fetran’ny ranomasina e,
Mba ho lalàna mandrakizay tsy azony dikaina!
Na misamboaravoara aza ny onjany, dia tsy hivoaka ho mpandresy.
Ary na midoboka mafy aza ireny, dia mbola tsy ho afaka ny hihoatra an’ilay fetra ihany.+
-