FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 7:6, 7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Efa nataon’i Jehovah nandre feona tafika lehibe mantsy ny miaramila tao amin’ny tobin’ny Syrianina, dia feona kalesy fitondra miady sy soavaly nirodorodo.+ Koa nifampiresaka izy ireo hoe: “Nokaramain’ny mpanjakan’ny Israely hiady amintsika ireo mpanjakan’ny Hetita sy ireo mpanjakan’i Ejipta!” 7 Tonga dia lasa nandositra àry izy ireo tamin’ilay harivariva efa maizimaizina iny, ka nilaozany ny tranolainy sy ny soavaliny ary ny ampondrany. Navelany fotsiny teo ny tobiny manontolo, ary lasa nitsoaka namonjy ny ainy izy ireo.

  • Salamo 20:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Ny sasany mitoky amin’ny kalesy fitondra miady, ary ny hafa amin’ny soavaly,+

      Fa isika kosa miantso ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika.+

  • Ohabolana 21:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Voaomana hampiasaina amin’ny andron’ny ady ny soavaly,+

      Fa avy amin’i Jehovah kosa ny famonjena.+

  • Isaia 31:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Hahita loza izay mandeha midina any Ejipta mba hitady fanampiana,+

      Sy izay miantehitra amin’ny soavaly,+

      Sy izay mitoky amin’ny kalesy fitondra miady satria hoe be dia be ireny,

      Ary mitoky amin’ny soavaly fitondra miady* satria hoe tena mahery ireny.

      Tsy mba mitodika any amin’Ilay Masin’ny Israely izy ireo,

      Sady tsy mitady an’i Jehovah.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara