-
Eksodosy 14:19, 20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Dia lasa nankany aorianan’ny Israelita ny anjelin’ilay tena Andriamanitra,+ izany hoe ilay anjely nandeha teo alohany. Nifindra nankany aoriana koa ilay andry rahona izay teo alohan’izy ireo, dia nijanona tao aorianany.+ 20 Koa nanjary teo anelanelan’ny Ejipsianina sy ny Israelita ny andry rahona.+ Maizina ny ilany tamin’ilay rahona, fa nanazava ny alina kosa ny ilany.+ Tsy nifanatona àry ny Ejipsianina sy ny Israelita nandritra ny alina manontolo.
-
-
Isaia 37:36Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
36 Dia tonga ilay anjelin’i Jehovah ka nandripaka lehilahy 185 000 tao amin’ny tobin’ny Asyrianina. Rehefa nifoha maraina àry ny olona, dia hitany ny fatin’izy rehetra.+
-