-
Josoa 10:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Dia nivondrona ireo mpanjaka amorita dimy,+ dia ny mpanjakan’i Jerosalema, ny mpanjakan’i Hebrona, ny mpanjakan’i Jarmota, ny mpanjakan’i Lakisy, ary ny mpanjakan’i Eglona. Ary nandeha izy ireo sy ny tafiny, ka nitoby nanodidina an’i Gibeona mba hiady taminy.
-
-
Josoa 10:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Raha mbola nandositra an’ireo Israelita izy ireo, dia nandatsahan’i Jehovah havandra vaventy avy tany an-danitra, teny amin’ny fidinana teny Beti-horona ka hatrany Azeka. Dia maty izy ireo, ary betsaka kokoa ny matin’ny havandra raha oharina amin’ny matin’ny Israelita tamin’ny sabatra.
-