-
Estera 1:10-12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Tamin’ny andro fahafito, rehefa falifaly iny ny fon’ny mpanjaka noho izy nisotro divay, dia noteneniny i Mehomana, Bizta, Harbona,+ Bigta, Abagta, Zetara, ary Karkasa, izany hoe ireo tandapa fito lahy nanompo an’i Ahasoerosy Mpanjaka, 11 mba hitondra an’i Vasty vadin’ny mpanjaka ho eo anatrehany, manao diadema.* Tiany haseho amin’ny olona sy ny andriana mantsy ny hatsaran-tarehiny, fa tena tsara tarehy izy. 12 Tsy nanaiky ny didin’ny mpanjaka nampitain’ny tandapa anefa i Vasty vadin’ny mpanjaka, ka tsy nety nankany mihitsy. Dia tezitra be ny mpanjaka sady romotra be.
-