FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 28:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 “Raha tsy mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao, ka tsy mankatò ny didiny rehetra sy ny lalàny omeko anao androany, dia ho tanteraka aminao ireto ozona rehetra ireto, sady hahatratra anao:+

  • Josoa 7:24, 25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Dia nalain’i Josoa sy ny Israely rehetra i Akana+ zanak’i Zera, niaraka tamin’ilay volafotsy sy ilay akanjo ary ilay vaingam-bolamena.+ Nalain’izy ireo koa ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny ombiny, ny ampondrany, ny ondry aman’osiny, ny tranolainy, ary izay rehetra azy, ka nentin’izy ireo teo amin’ny Lohasahan’i* Akora.+ 25 Ary hoy i Josoa: “Nahoana ianao no nahatonga loza* taminay?+ Hahatonga loza aminao koa i Jehovah androany.” Dia nitora-bato azy sy ny ankohonany ny Israely rehetra,+ ary nandoro azy ireo avy eo.+ Koa nitora-bato azy rehetra izy ireo.

  • Estera 9:24, 25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Efa nanao tetika handripahana ny Jiosy+ mantsy i Hamana+ zanak’i Hamedota Agagita,+ ilay fahavalon’ny Jiosy rehetra. Efa nampanao Pora+—na Antsapaka—koa izy mba hahatonga azy ireo hisahotaka sy ho ripaka. 25 Rehefa tonga teo anatrehan’ny mpanjaka anefa i Estera, dia namoaka an’izao didy natao an-tsoratra izao ny mpanjaka:+ “Hivaly amin’i* Hamana anie ilay tetika saika hamelezany ny Jiosy!”+ Dia nahantona teo amin’ny tsato-kazo izy sy ny zanany lahy.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara