-
Ohabolana 10:26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Toy ny vinaingitra amin’ny nify sy toy ny setroka amin’ny maso,
Dia hoatr’izany koa ny kamo amin’ny olona maniraka azy.*
-
-
Ohabolana 26:13-15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Hoy ny kamo: “Misy liona tanora eny an-dalana!
Misy liona eny amin’ny tany malalaka!”+
14 Mihodina eo amin’ny savily ny varavarana,
Ary mihodina eo am-pandrianany koa ny kamo.+
15 Mangarona ny ao anaty vilia baolina ny kamo,
Nefa na ny hampakatra an’ilay tanany ho ao am-bavany aza mandreraka be azy.+
-