FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 33:12-14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Dia hoy i Esao: “Andao isika hiala eto, ka aleo aho handeha eo alohanao.” 13 Hoy anefa i Jakoba: “Hitan’ny tompoko moa fa mbola kely ny ankizy,+ ary mampinono ny ondry sy omby entiko. Koa raha entina mandeha mafy loatra ao anatin’ny iray andro ireo biby fiompy ireo, dia ho faty daholo. 14 Aleo re ianao, tompoko, mandeha mialoha ny mpanomponao e! Fa izaho handeha miadana manaraka ny dian’ny biby fiompy sy ny dian’ny ankizy, mandra-pahatongako any amin’ny tompoko any Seira.”+

  • Eksodosy 23:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “Enina andro no hanaovanao ny asanao, fa amin’ny andro fahafito kosa dia hitsahatra tsy hiasa ianao. Amin’izay dia hiala sasatra ny ombinao sy ny ampondranao, ary haka aina ny zanaky ny mpanompovavinao sy ny hafa firenena monina eo aminao.+

  • Deoteronomia 22:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 “Raha hitanao lavo eny an-dalana ny ampondran’ny rahalahinao na ny ombiny, dia aza odiana tsy hita fotsiny. Tokony hampianao hanarina an’ilay izy ny rahalahinao.+

  • Deoteronomia 22:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 “Aza ampiraisina zioga hiasa tany ny omby sy ny ampondra.+

  • Deoteronomia 25:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 “Aza asiana fehivava ny omby miasa* eny am-pamoloana.+

  • Jona 4:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Dia izaho ve tsy mba halahelo an’i Ninive, ilay tanàna lehibe,+ sy ny biby rehetra ao? Ao amin’io tanàna io anefa misy olona 120 000 mahery, izay tsy mahalala akory ny mety sy ny tsy mety.”*+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara