FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 39:10-12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Isan’andro isan’andro mihitsy ilay vehivavy no niteny tamin’i Josefa, nefa tsy nanaiky hanao firaisana taminy mihitsy izy, na hiaraka irery taminy. 11 Indray andro anefa, rehefa niditra tao an-trano hanao ny raharahany i Josefa, dia tsy nisy mpanompo mihitsy tao. 12 Dia nisambotra azy tamin’ny akanjony ilay vehivavy sady niteny hoe: “Avia hanao firaisana amiko!” Navelany teny an-tanan’ilay vehivavy anefa ny akanjony, dia lasa izy nandositra tany ivelany.

  • Ohabolana 6:23, 24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Fa jiro ny didy,+

      Hazavana ny lalàna,+

      Ary lalana mankany amin’ny fiainana ny anatra sy ny fanitsiana.+

      24 Hiaro anao amin’ny vehivavy maditra izany,+

      Mba tsy ho babon’ny teny malefaka* ataon’ny vehivavy ratsy fitondran-tena* ianao.+

  • Ohabolana 7:4, 5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Lazao amin’ny fahendrena hoe: “Anabaviko ianao”,

      Ary amin’ny fahiratan-tsaina hoe: “Havako ianao.”

       5 Amin’izay ianao harovany amin’ny vehivavy maditra,*+

      Sy amin’ny vehivavy ratsy fitondran-tena,* izay manao teny malefaka.*+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara