-
1 Samoela 16:18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Dia nilaza ny iray tamin’ny mpanompo hoe: “Misy zanak’i Jese Betlehemita efa hitako nitendry harpa sady mahay be. Miaramila matanjaka sy mahery fo izy.+ Mahay mandaha-teny koa izy sady tsara tarehy,+ ary momba azy i Jehovah.”+ 19 Dia naniraka olona hankany amin’i Jese i Saoly, mba hiteny hoe: “Alefaso atỳ amiko i Davida zanakao, ilay miandry ondry.”+
-
-
1 Mpanjaka 7:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Naniraka olona haka an’i Hirama+ avy any Tyro i Solomona Mpanjaka. 14 Zanaka mpitondratena avy amin’ny fokon’i Naftaly i Hirama, ary mpanefy varahina avy any Tyro ny rainy.+ Tena havanana sy nahira-tsaina+ ary za-draharaha izy, amin’ny fanamboarana zavatra isan-karazany vita amin’ny varahina.* Dia tonga tany amin’i Solomona Mpanjaka izy, ka nanao ny asa rehetra nampanaoviny.
-