-
Lioka 14:8-10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 “Rehefa misy manasa anao hanatrika fanasambe amin’ny fampakaram-bady, dia aza maka ny* toerana mihaja indrindra.+ Mety ho nanasa olona manan-kaja kokoa noho ianao mantsy izy. 9 Dia hankeo aminao ilay nanasa anareo, ka hiteny hoe: ‘Omeo an’ity olona ity ny toeranao.’ Dia ho menatra ianao hifindra any amin’ny toerana aoriana indrindra. 10 Fa rehefa misy manasa anao kosa, dia mandehana maka ny toerana aoriana indrindra. Amin’izay rehefa tonga ilay nanasa anao, dia hiteny aminao hoe: ‘Tsy aleo ianao, ry namana, mandroso etsy aloha kokoa?’ Dia hahazo voninahitra eo imason’ireo rehetra niara-nasaina taminao ianao.+
-