-
1 Mpanjaka 21:8-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Nanoratra taratasy tamin’ny anaran’i Ahaba àry i Jezebela, ary nasiany tombo-kasen’ny mpanjaka+ izany. Dia nalefany tany amin’ny anti-panahy+ sy ny olona ambony nipetraka tany amin’ny tanànan’i Nabota ireo taratasy ireo. 9 Izao no nosoratany tao: “Manaova fanambarana hoe hisy fifadian-kanina, ary asaivo mipetraka eo alohan’ny vahoaka i Nabota. 10 Dia asio lehilahy roa tsy misy ilana azy mipetraka eo anoloany, ary asaivo miampanga+ azy izy ireo hoe: ‘Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao!’+ Dia ento any ivelan’ny tanàna izy, ka torahy vato ho faty.”+
11 Izay voasoratra tao amin’ny taratasy nalefan’i Jezebela tany amin’izy ireo àry no nataon’ireo lehilahy tao an-tanànan’i Nabota, dia ny anti-panahy sy ny olona ambony nipetraka tao an-tanànany.
-
-
Jeremia 38:4, 5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Hoy ireo andriana tamin’ny mpanjaka: “Mba asaivo vonoina ho faty iny lehilahy iny,+ fa manakivy* an’ireo miaramila sisa ato an-tanàna sy ny vahoaka rehetra izany teniny izany. Tsy mitady izay hiadanan’ity firenena ity mantsy iny lehilahy iny, fa izay hahitany loza.” 5 Dia namaly i Zedekia Mpanjaka hoe: “Eo am-pelatananareo izy. Tsy misy na inona na inona azon’ny mpanjaka atao hanakanana anareo.”
-