-
Rota 3:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Dia hoy i Boaza: “Hotahin’i Jehovah anie ianao, anaka! Efa nasehonao hoe be fitiavana sy tsy mivadika ianao,+ fa vao mainka hita izany izao. Tsy niaraka tamin’ny ankizilahy mantsy ianao, na mahantra izy na manankarena. 11 Aza matahotra, anaka, fa hataoko aminao daholo izay lazainao.+ Fantatry ny iray tanàna* mantsy fa vehivavy tena miavaka ianao.
-
-
Ohabolana 19:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Trano sy harena no lova avy amin’ny ray,
Fa vady malina kosa no fanomezana avy amin’i Jehovah.+
-