-
1 Samoela 2:18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 I Samoela kosa nanompo+ teo anatrehan’i Jehovah. Nanao efoda vita tamin’ny kofehy rongony*+ izy, na dia mbola zaza aza. 19 Nanjairan-dreniny akanjo kely tsy misy tanany koa izy isan-taona. Ary nentiny tany amin’i Samoela izany, rehefa niara-niakatra tamin’ny vadiny izy mba hanolotra ny sorona fanao isan-taona.+
-
-
Titosy 2:3-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Ampirisiho koa ny vehivavy zokiolona hanana fitondran-tena mendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy handevozin’ny divay be, fa ho mpampianatra zavatra tsara, 4 mba hahafahany hanoro hevitra* ny vehivavy tanora* ho tia vady aman-janaka, 5 hisaina tsara, hadio fitondran-tena, hazoto hikarakara tokantrano, hanao izay tsara, hanaiky ny vadiny,+ mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin’Andriamanitra.
-