FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 8:11, 12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Hoy izy: “Izao no zo hananan’izay ho mpanjakanareo:+ Halainy ny zanakareo lahy,+ ka hasainy hitondra ny kalesiny+ sy hataony mpitaingin-tsoavaliny.+ Ary ny sasany hasainy hihazakazaka eo alohan’ny kalesiny. 12 Ny sasany hotendreny ho lehiben’ny arivony+ sy lehiben’ny dimampolony.+ Ny sasany kosa hiasa ny taniny+ sy hijinja ny vokatry ny taniny,+ ary hanamboatra ny fitaovam-piadiany sy ny fitaovana amin’ny kalesiny.+

  • 1 Mpanjaka 4:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Nanana lehibem-paritra 12 i Solomona, teo amin’ny Israely rehetra. Andraikitr’izy ireo ny namatsy sakafo ny mpanjaka sy ny tao an-dapany. Ary nifandimby nanao an’izany iray volana isan-taona ny tsirairay tamin’izy ireo.+

  • 2 Tantara 26:9, 10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Nanorina tilikambo+ tao Jerosalema koa i Ozia, teo akaikin’ny Vavahady An-jorony,+ sy teo akaikin’ny Vavahadin’ny Lohasaha,+ ary teo akaikin’ny Andry Manohana ny Manda, sady nataony mafy tsara ireny. 10 Nanorina tilikambo+ tany an-tany efitra koa izy. Nihady* lavaka be dia be fanangonan-drano izy, satria nanana biby fiompy maro be. Nanao hoatr’izany koa izy tany Sefela sy teny amin’ny lemaka.* Ary nanana mpamboly sy mpikarakara tanimboaloboka teny an-tendrombohitra sy tany Karmela izy, satria tia namboly.

  • Tononkiran’i Solomona 8:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Nanana tanimboaloboka+ tany Bala-hamona i Solomona,

      Ary nisy olona nasainy nikarakara an’ilay izy.

      Samy nanome volafotsy arivo sekely avy izy rehetra, rehefa niakatra ny vokatra.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara