-
Deoteronomia 15:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Tokony halala-tanana ianao ka hanome azy+ amin’ny fonao.* Izany mantsy no mahatonga an’i Jehovah Andriamanitrao hitahy an’izay ataonao sy ny asanao rehetra.+ 11 Fa hisy mahantra foana ao amin’ilay tany.+ Izany no mahatonga ahy handidy anao hoe: ‘Tena tokony halala-tanana* amin’ny rahalahinao mijaly sy mahantra ao amin’ny taninao ianao.’+
-