FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 62:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Anao koa, Jehovah ô, ny fitiavana sy ny tsy fivadihana,+

      Fa mamaly ny tsirairay araka ny nataony ianao.+

  • Mpitoriteny 11:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Mifalia ry tanora dieny mbola tanora ianao, ary ataovy izay mampifalifaly ny fonao amin’ny andro fahatanoranao. Ataovy izay irin’ny fonao sy izay mahafinaritra ny masonao. Fantaro anefa fa hotsarain’ilay tena Andriamanitra* ianao amin’izany rehetra izany.+

  • Matio 12:36, 37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 36 Lazaiko aminareo fa hatao ampamoaka+ ny olona amin’ny Andro Fitsarana noho izay teny tsisy fotony rehetra lazainy. 37 Arakaraka ny teninao mantsy no hilazana hoe olo-marina ianao na hoe meloka.”

  • Asan’ny Apostoly 17:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Izy mantsy efa namaritra andro iray izay kasainy hitsarana+ ara-drariny ny tany,* amin’ny alalan’ny lehilahy iray voatendriny. Ary efa nanome antoka ho an’ny olona rehetra izy fa hitranga izany, rehefa nanangana azy io tamin’ny maty.”+

  • 2 Korintianina 5:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Tsy maintsy hiseho* eo anatrehan’ny toeram-pitsaran’i Kristy mantsy isika rehetra, mba hovaliana arakaraka izay nataony ny tsirairay, na tsara na ratsy ny nataony+ tamin’izy mbola tao amin’ilay vatana.

  • 1 Timoty 5:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Fantatry ny rehetra ny fahotan’ny olona sasany, ka avy hatrany dia tsaraina izy. Ny an’ny sasany kosa any aoriana vao miharihary.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara