-
Jeremia 50:41, 42Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
41 Hisy vahoaka ho tonga avy any avaratra.
Firenena iray lehibe sy mpanjaka be voninahitra+ no hantsoina
Avy any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.+
42 Tsipìka sy lefom-pohy no ampiasain’izy ireo.+
Masiaka be izy ireo ka tsy hiantra.+
Toy ny feon’ny ranomasina misamboaravoara+ ny fandrenesana azy ireo,
Rehefa mitaingin-tsoavaly.
Milahatra toy ny olona iray izy ireo mba hiady aminao, ry zanakavavin’i Babylona ô!+
-