-
Ezekiela 21:21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Fa mijanona mba hanao sikidy eo amin’ny sampanan-dalana ny mpanjakan’i Babylona, satria eo no misampana ny lalana. Ahontsankontsany ireo zana-tsipìka. Anontaniany ny sampiny,* ary dinihiny ny atin-kena.
-
-
Daniela 5:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Dia niantsoantso mafy ny mpanjaka mba hasaina hankeo aminy ny mpila hevitra amin’ny maty, sy ny Kaldeanina,* ary ny mpanandro.+ Dia hoy izy tamin’ireo olon-kendrin’i Babylona ireo: “Izay mahavaky an’io soratra io ka milaza amiko ny dikany, dia hampanaovina akanjo volomparasy, sady hasiana rojo volamena ny vozony,+ ary izy no ho mpitondra fahatelo eto amin’ny fanjakana.”+
-
-
Apokalypsy 18:23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Tsy hisy hamirapiratra ao aminao intsony ny hazavan’ny jiro, ary tsy hisy feon’ny mpampakatra na ny ampakarina ho heno intsony ao aminao. Ny mpivarotra teo aminao mantsy no manam-pahefana ambony teny ambonin’ny tany, ary voafitaky ny ody lalaovinao+ ny firenena rehetra.
-