FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 56:6, 7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Izay hafa firenena miandany amin’i Jehovah mba hanompo azy,

      Sy mba ho tia ny anaran’i Jehovah,+

      Ary mba ho mpanompony,

      Izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manazimbazimba azy,

      Sady mifikitra mafy amin’ny fifanekena nataoko,

       7 Dia hoentiko any amin’ny tendrombohitro masina+ koa,

      Ary hampifaliko ao amin’ny trano fivavahana amiko.

      Hekeko izay fanatitra dorana manontolo sy sorona ataony eo ambony alitarako.

      Fa ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana ho an’ny olona rehetra.”+

  • Isaia 66:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Dia halain’izy ireo avy any amin’ny firenena rehetra+ ny rahalahinareo rehetra, ka hataony fanomezana ho an’i Jehovah. Ary hoentiny amin’ny soavaly, kalesy, sarety mitafo, ramole, ary rameva mahery mandeha izy ireny, mba hiakatra ho any Jerosalema tendrombohitro masina”, hoy i Jehovah. “Izany dia hoatran’ny ataon’ny vahoakan’Israely rehefa mitondra fanomezana ao anaty vilia madio mankany an-tranon’i Jehovah.”

  • Ezekiela 20:40
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 40 “‘Fa eo amin’ny tendrombohitro masina, eo amin’ny tendrombohitra avo iray any Israely’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘no hanompoan’ny taranak’Israely manontolo ahy. Izy rehetra mihitsy no hanompo ahy any.+ Dia any aho no hankasitraka azy ireo. Any koa ianareo no hasaiko hitondra fanomezana sy hanome ny tsara indrindra* amin’ny fanatitra hatolotrareo ho ahy, dia ny zava-masina rehetra omenareo.+

  • Joela 3:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Dia ho fantatrareo fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo izay mipetraka ao Ziona, tendrombohitro masina.+

      Ho lasa toerana masina i Jerosalema,+

      Ka tsy hisy vahiny* handalo ao intsony.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara