-
Jeremia 5:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Mandehana mivezivezy eny amin’ireo lalana ao Jerosalema.
Dia jereo tsara daholo ny toerana rehetra sady diniho.
Mankanesa eny amin’ny tany malalaka be olona dia tadiavo
Raha mahita olona iray manao ny rariny+
Sy miezaka ny tsy hivadika ianareo.
Raha izany mantsy, dia havelako ny helok’ilay tanàna.
-
-
Ezekiela 22:30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 “‘Nitady olona teo amin’izy ireo aho mba hanamboatra ny simba amin’ilay manda vato, na hitsangana eo amin’ny banga amin’ilay manda mba hiaro an’ilay tany, amin’izay tsy horavako ilay izy.+ Tsy nahita mihitsy anefa aho.
-