-
Asan’ny Apostoly 26:17, 18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Ary hamonjy anao amin’ity vahoaka ity sy amin’ny hafa firenena izay anirahako anao aho.+ 18 Hirahiko ianao mba hanokatra ny masony,+ ka hialany amin’ny haizina+ ho ao amin’ny mazava,+ ary hialany amin’ny fahefan’i Satana+ ho eo ambany fahefan’Andriamanitra. Amin’izay izy ireo hahazo famelan-keloka+ ary hahazo lova miaraka amin’ireo nohamasinina noho izy ireo mino ahy.’
-