-
Isaia 14:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Fa hamindra fo amin’i Jakoba i Jehovah,+ ary mbola hifidy ny Israely indray izy.+ Dia hapetrany ao amin’ny taniny izy ireo,*+ ary hiaraka amin’izy ireo ny hafa firenena ka hitambatra amin’ny taranak’i Jakoba.+ 2 Hoentin’ny hafa firenena hiverina hody izy ireo. Ary hataon’ny taranak’Israely ho mpanompolahiny sy mpanompovaviny+ any amin’ny tanin’i Jehovah ireny. Dia hataon’ny taranak’Israely babo ireo nitondra azy ho babo, ary hofeheziny ireo mpanery azy hiasa.
-