-
Joela 3:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Arosoy ny antsy fijinjana, fa masaka ny vokatra.
Midìna dia hitsakitsaho ny voaloboka, fa feno be ny lavaka fanitsakitsahana azy.+
Efa mihoatra ny fanantazana azy ny ranom-boaloboka, satria vao mainka manao ratsy ireo firenena.
-
-
Apokalypsy 14:19, 20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Dia nijinja ny tany tamin’ny antsy fijinjany ilay anjely sady nanangona ny voaloboky ny tany, ka nanipy an’ireny tao anaty famiazam-boaloboka lehibe, izany hoe ny fahatezeran’Andriamanitra.+ 20 Nohitsakitsahina tany ivelan’ny tanàna ny voaloboka tao anatin’ilay famiazana, ka nisy ra nivoaka avy tao. Ary tafakatra hatreo amin’ny lamboridin-tsoavaly ny ra sady tonga hatrany amin’ny 1 600 stadio.*
-