-
Levitikosy 19:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 “‘Aza manao ny tsy rariny rehefa mitsara. Aza miandany amin’ny mahantra satria hoe mahantra izy, nefa aza iangarana koa ny manankarena.+ Tokony hanao ny rariny ianao rehefa mitsara ny namanao.
-
-
Deoteronomia 1:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 “Izao no nampianariko ny mpitsaranareo tamin’izay: ‘Rehefa misy adin’ny rahalahinareo entiny eo aminareo, dia tsarao araka ny rariny+ izay manana ady amin’ny rahalahiny, na amin’ny vahiny miara-monina aminy.+ 17 Aza miangatra rehefa mitsara,+ fa henoy sahala amin’ny lehibe ihany ny madinika.+ Aza matahotra olona,+ fa an’Andriamanitra ny fitsarana.+ Raha misy raharaha sarotra loatra aminareo, dia ento atỳ amiko, fa izaho no hihaino an’izany.’+
-