-
Josoa 13:15, 16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Dia nomen’i Mosesy lova ny fokon’ny Robenita, araka ny fianakaviany avy, 16 ka ny faritry ny tanin’izy ireo dia nanomboka tany Aroera eo amin’ny sisin’ny Lohasahan’i* Arnona, sy ilay tanàna eo afovoan’io lohasaha io, sy ny lembalemba manontolo akaikin’i Medeba;
-
-
2 Mpanjaka 10:32, 33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 Nahenan’i Jehovah tsikelikely ny tanin’ny Israely nanomboka tamin’izany andro izany. Nanafika azy ireo foana i Hazaela, tany amin’ny faritra rehetra tany Israely,+ 33 nanomboka teo Jordana no ho miantsinanana sy Gileada manontolo, izany hoe ny tanin’ny Gadita sy ny Robenita ary ny Manasita.+ Anisan’izany ny faritra nanomboka tany Aroera, any akaikin’ny Lohasahan’i* Arnona, hatrany Gileada sy Basana.+
-