-
Deoteronomia 3:13-16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Nomeko ho an’ny antsasaky ny fokon’i Manase kosa ny ambiny amin’i Gileada sy ny faritr’i Basana manontolo, izay anisan’ny fanjakan’i Oga.+ Tanin’ny Refaima no nahafantarana ny faritr’i Argoba manontolo, izay anisan’i Basana.
14 “Nalain’i Jaira+ zanak’i Manase ny faritr’i Argoba+ manontolo hatrany amin’ny sisin-tanin’ny Gesorita sy ny Makatita.+ Ary nampitondrainy ny anarany ireny tanàna kely any Basana ireny, ka nantsoiny hoe Havota-jaira*+ hatramin’izao. 15 Ary nomeko an’i Makira i Gileada.+ 16 Nomeko ho an’ny Robenita sy ny Gadita+ kosa ny faritra manomboka eo Gileada ka hatreo amin’ny Lohasahan’i* Arnona, ary eo afovoan’ilay lohasaha ny sisin-tany. Nomeko azy ireo koa ilay faritra hatrany Jaboka, ilay lohasaha izay sisin-tanin’ny Amonita.
-
-
Deoteronomia 28:63Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
63 “Faly erỳ i Jehovah taloha rehefa nataony nandeha tsara ny fiainanareo sady nataony lasa be dia be ianareo. Dia hoatr’izany koa fa ho faly i Jehovah handringana anareo sy handripaka anareo. Fa hesorina hiala eo amin’ilay tany efa halainareo ho anareo ianareo.
-
-
Josoa 13:8-12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase kosa efa nahazo ny lovany teny ampita atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, araka izay efa nomen’i Mosesy mpanompon’i Jehovah azy ireo. Ireto avy izany:+ 9 Manomboka eo Aroera+ eo amin’ny sisin’ny Lohasahan’i* Arnona,+ sy ilay tanàna eo afovoan’io lohasaha io, sy ny lembalemban’i* Medeba manontolo, hatrany Dibona; 10 ny tanàna rehetran’i Sihona mpanjakan’ny Amorita izay nanjaka tao Hesbona, hatrany amin’ny sisin-tanin’ny Amonita;+ 11 Gileada sy ny tanin’ny Gesorita sy ny Makatita,+ sy ny Tendrombohitra Hermona manontolo, sy Basana manontolo+ hatrany Saleka;+ 12 ary ny faritra rehetra nofehezin’i Oga tany Basana. Nanjaka tao Astarota sy Edrehy i Oga. Anisan’ireo Refaima sisa tavela izy.+ Resin’i Mosesy ny mponina tao amin’ireo tany ireo, ka noroahiny.+
-