-
Isaia 7:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Fa i Damaskosy no lohan’i Syria,
Ary i Rezina no lohan’i Damaskosy.
Rehefa afaka 65 taona fotsiny,
Dia ho rava tanteraka i Efraima ka tsy ho firenena intsony.+
-
-
Isaia 28:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Hahita loza ilay satroboninahitra* mirenty* anaovan’ireo mamo lava ao Efraima!+
Hahita loza koa ilay voninkazo tsara tarehy mihamalazo,
Eo amin’ny lohan’ilay lohasaha lonaka, izay misy an’ireo mamon-divay ireo!
2 Manana olona matanjaka sy mahery i Jehovah.
Hoatran’ny oram-be misy kotroka sy havandra izy, toy ny tafio-drivotra mandravarava,
Hoatran’ny oram-baratra mahatonga tondra-drano,
Ka hanipy mafy an’ilay satroboninahitra eny ambonin’ny tany.
-
-
Hosea 5:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Ho toy ny liona tanora ho an’i Efraima aho,
Ary ho liona matanjaka* ho an’ny taranak’i Joda.
-