-
2 Mpanjaka 25:4, 5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Voagorobaka ny mandan’ilay tanàna,+ ka nitsoaka teo amin’ilay vavahady teo anelanelan’ny manda roa sosona, teo akaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka, ny miaramila rehetra raha mbola alina ny andro. Mbola nanodidina ny tanàna ny Kaldeanina tamin’izay. Dia nandeha tamin’ny lalana mankany Araba ny mpanjaka.+ 5 Nenjehin’ny miaramila kaldeanina anefa izy, ka tratrany teny amin’ny lemaka karakaina any Jeriko. Dia lasa niparitaka nandao azy daholo ny miaramilany.
-