FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 21:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 ‘Izao no tenin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: “Ataoko mifotitra aminareo ny fitaovam-piadiana eny an-tananareo, dia izay ampiasainareo mba hiadiana amin’ny mpanjakan’i Babylona+ sy ny Kaldeanina manao fahirano anareo any ivelan’ny manda. Hangoniko eo afovoan’ity tanàna ity izy ireny.

  • Jeremia 39:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Noloahan’izy ireo ny mandan’ilay tanàna,+ tamin’ny andro fahasivin’ny volana fahefatra, tamin’ny taona faha-11 nanjakan’i Zedekia.

  • Jeremia 39:4-7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Rehefa nahita azy ireo i Zedekia mpanjakan’ny Joda sy ny miaramila rehetra, dia nandositra+ niala tao an-tanàna tamin’ny andro alina. Tany amin’ny zaridainan’ny mpanjaka ny lalan’izy ireo, teo amin’ilay vavahady teo anelanelan’ny manda roa sosona. Ary nandeha tamin’ny lalana mankany Araba izy ireo.+ 5 Nanenjika azy ireo anefa ny tafiky ny Kaldeanina, ka tratrany tao amin’ilay lemaka karakaina any Jeriko+ i Zedekia. Dia nosamborin’izy ireo izy ka nentiny niakatra tany amin’i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona tao Ribla,+ tany Hamata.+ Tany ilay mpanjaka no namoaka didim-pitsarana momba azy. 6 Nasain’ny mpanjakan’i Babylona novonoina tao Ribla teo imason’i Zedekia ireo zanany lahy. Nasain’ny mpanjakan’i Babylona novonoina koa ny olona ambony rehetra tao Joda.+ 7 Dia nopotsiriny ny mason’i Zedekia, ary nofatorany tamin’ny gadra varahina izy mba hoentina any Babylona.+

  • Ezekiela 33:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Tatỳ aoriana, dia nisy lehilahy afa-nandositra avy any Jerosalema tonga tao amiko, tamin’ny andro fahadimin’ny volana fahafolo, tamin’ny taona faha-12 nanaovana sesitany anay.+ Dia hoy izy: “Rava ilay tanàna!”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara