-
2 Mpanjaka 25:4-7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Voagorobaka ny mandan’ilay tanàna,+ ka nitsoaka teo amin’ilay vavahady teo anelanelan’ny manda roa sosona, teo akaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka, ny miaramila rehetra raha mbola alina ny andro. Mbola nanodidina ny tanàna ny Kaldeanina tamin’izay. Dia nandeha tamin’ny lalana mankany Araba ny mpanjaka.+ 5 Nenjehin’ny miaramila kaldeanina anefa izy, ka tratrany teny amin’ny lemaka karakaina any Jeriko. Dia lasa niparitaka nandao azy daholo ny miaramilany. 6 Dia nosamborin’ny Kaldeanina ny mpanjaka,+ ka nentiny niakatra tany amin’ny mpanjakan’i Babylona tao Ribla. Ary nisy didim-pitsarana navoakan’izy ireo momba azy. 7 Dia novonoin’izy ireo teo imason’i Zedekia ireo zanany lahy. Ary nopotsirin’i Nebokadnezara ny mason’i Zedekia avy eo. Dia nofatorany tamin’ny gadra varahina izy, ary nentiny tany Babylona.+
-
-
Jeremia 52:7-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Voagorobaka ny mandan’ilay tanàna tamin’ny farany, ka nivoaka nandositra teo amin’ilay vavahady teo anelanelan’ny manda roa sosona, teo akaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka, ny miaramila rehetra raha mbola alina ny andro. Mbola nanodidina ny tanàna ny Kaldeanina tamin’izay. Ary nandeha tamin’ny lalana mankany Araba ireo miaramila.+ 8 Nenjehin’ny miaramila kaldeanina anefa i Zedekia+ Mpanjaka, ka tratrany teny amin’ny lemaka karakaina any Jeriko. Koa niparitaka nandao azy daholo ny miaramilany. 9 Dia nosamborin’ny Kaldeanina ny mpanjaka, ka nentiny niakatra tany amin’ny mpanjakan’i Babylona tao Ribla, tany Hamata. Ary nisy didim-pitsarana navoakany momba azy. 10 Dia novonoin’ny mpanjakan’i Babylona teo imason’i Zedekia ireo zanany lahy. Novonoiny tao Ribla daholo koa ny andrianan’i Joda. 11 Dia nopotsirin’ny mpanjakan’i Babylona ny mason’i Zedekia.+ Ary nofatorany tamin’ny gadra varahina izy, ka nentiny tany Babylona, dia nataony am-ponja mandra-pahafatiny.
-