FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 39:4-7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Rehefa nahita azy ireo i Zedekia mpanjakan’ny Joda sy ny miaramila rehetra, dia nandositra+ niala tao an-tanàna tamin’ny andro alina. Tany amin’ny zaridainan’ny mpanjaka ny lalan’izy ireo, teo amin’ilay vavahady teo anelanelan’ny manda roa sosona. Ary nandeha tamin’ny lalana mankany Araba izy ireo.+ 5 Nanenjika azy ireo anefa ny tafiky ny Kaldeanina, ka tratrany tao amin’ilay lemaka karakaina any Jeriko+ i Zedekia. Dia nosamborin’izy ireo izy ka nentiny niakatra tany amin’i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona tao Ribla,+ tany Hamata.+ Tany ilay mpanjaka no namoaka didim-pitsarana momba azy. 6 Nasain’ny mpanjakan’i Babylona novonoina tao Ribla teo imason’i Zedekia ireo zanany lahy. Nasain’ny mpanjakan’i Babylona novonoina koa ny olona ambony rehetra tao Joda.+ 7 Dia nopotsiriny ny mason’i Zedekia, ary nofatorany tamin’ny gadra varahina izy mba hoentina any Babylona.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara