-
Jeremia 21:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 “‘“Aorian’izany”, hoy i Jehovah, “dia izao no hataoko amin’i Zedekia mpanjakan’ny Joda sy ny mpanompony ary ny vahoaka ato amin’ity tanàna ity, dia ireo tsy matin’ny areti-mandringana sy ny sabatra ary ny mosary: Hataoko resin’i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona izy ireo, ary hataoko resin’ny fahavalony sy ireo mitady hamono azy.*+ Hamely azy ireo amin’ny sabatra i Nebokadnezara. Tsy hiantra izy na hangoraka na hamindra fo.”’+
-
-
Jeremia 34:18-20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Ary izao no hanjo an’izay nivadika tamin’ilay fifanekena nataoko, ka tsy nanatanteraka an’izay voalazan’ilay fifanekena nataony teo anatrehako, rehefa nozarainy roa ny zanak’omby ka nandalo teo anelanelan’izany izy ireo,+ 19 dia ny andrianan’i Joda, ny andrianan’i Jerosalema, ny tandapa, ny mpisorona, ary ny vahoaka manontolo izay nandalo teo anelanelan’ilay zanak’omby nozaraina roa: 20 Hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony sy ireo mitady hamono azy* izy ireo, ka ho sakafon’ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatiny.+
-