-
2 Mpanjaka 25:6, 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Dia nosamborin’ny Kaldeanina ny mpanjaka,+ ka nentiny niakatra tany amin’ny mpanjakan’i Babylona tao Ribla. Ary nisy didim-pitsarana navoakan’izy ireo momba azy. 7 Dia novonoin’izy ireo teo imason’i Zedekia ireo zanany lahy. Ary nopotsirin’i Nebokadnezara ny mason’i Zedekia avy eo. Dia nofatorany tamin’ny gadra varahina izy, ary nentiny tany Babylona.+
-
-
Jeremia 39:5-7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Nanenjika azy ireo anefa ny tafiky ny Kaldeanina, ka tratrany tao amin’ilay lemaka karakaina any Jeriko+ i Zedekia. Dia nosamborin’izy ireo izy ka nentiny niakatra tany amin’i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona tao Ribla,+ tany Hamata.+ Tany ilay mpanjaka no namoaka didim-pitsarana momba azy. 6 Nasain’ny mpanjakan’i Babylona novonoina tao Ribla teo imason’i Zedekia ireo zanany lahy. Nasain’ny mpanjakan’i Babylona novonoina koa ny olona ambony rehetra tao Joda.+ 7 Dia nopotsiriny ny mason’i Zedekia, ary nofatorany tamin’ny gadra varahina izy mba hoentina any Babylona.+
-
-
Jeremia 52:9-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Dia nosamborin’ny Kaldeanina ny mpanjaka, ka nentiny niakatra tany amin’ny mpanjakan’i Babylona tao Ribla, tany Hamata. Ary nisy didim-pitsarana navoakany momba azy. 10 Dia novonoin’ny mpanjakan’i Babylona teo imason’i Zedekia ireo zanany lahy. Novonoiny tao Ribla daholo koa ny andrianan’i Joda. 11 Dia nopotsirin’ny mpanjakan’i Babylona ny mason’i Zedekia.+ Ary nofatorany tamin’ny gadra varahina izy, ka nentiny tany Babylona, dia nataony am-ponja mandra-pahafatiny.
-