-
2 Mpanjaka 25:3, 4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Tena mafy ny mosary+ tao amin’ilay tanàna tamin’ny andro fahasivin’ny volana fahefatra, ka tsy nanan-kohanina intsony ny vahoaka.+ 4 Voagorobaka ny mandan’ilay tanàna,+ ka nitsoaka teo amin’ilay vavahady teo anelanelan’ny manda roa sosona, teo akaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka, ny miaramila rehetra raha mbola alina ny andro. Mbola nanodidina ny tanàna ny Kaldeanina tamin’izay. Dia nandeha tamin’ny lalana mankany Araba ny mpanjaka.+
-
-
Jeremia 52:6, 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Tena mafy ny mosary tao amin’ilay tanàna tamin’ny andro fahasivin’ny volana fahefatra,+ ka tsy nanan-kohanina intsony ny vahoaka.+ 7 Voagorobaka ny mandan’ilay tanàna tamin’ny farany, ka nivoaka nandositra teo amin’ilay vavahady teo anelanelan’ny manda roa sosona, teo akaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka, ny miaramila rehetra raha mbola alina ny andro. Mbola nanodidina ny tanàna ny Kaldeanina tamin’izay. Ary nandeha tamin’ny lalana mankany Araba ireo miaramila.+
-