FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 28:53-57
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 53 Dia hohaninao ny zanaka nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao. Hohaninao tokoa ny nofon’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy,+ satria ho mafy be ilay fahirano sady hataon’ny fahavalonao mijalijaly ianao.

      54 “Na ny lehilahy miaingitraingitra sy sarotsarotiny indrindra eo aminao aza tsy hiantra ny rahalahiny sy ny vady malalany ary ny zanany sisa miangana. 55 Tsy hisy hozarainy amin’izy ireo ny nofon-janany izay hohaniny, satria tsy manana na inona na inona intsony izy. Ho mafy be mantsy ilay fahirano sady hataon’ny fahavalonao mijalijaly ny olona ao an-tanànanao.+ 56 Ary ny vehivavy miaingitraingitra sy sarotsarotiny eo aminao, izay tsy te hanitsaka ny tany amin’ny faladiany akory fa miaingitraingitra be,+ dia tsy hiantra ny vady malalany na ny zanany lahy na ny zanany vavy, 57 satria tsy tiany homena azy ireo ny tavòny mivoaka avy eo anelakela-peny sy ny zaza naterany. Hohaniny mangingina mantsy ny zaza naterany sy ny tavòniny, satria ho mafy be ilay fahirano, sady hataon’ny fahavalonao mijalijaly ny olona ao an-tanànanao.

  • 2 Mpanjaka 25:3-7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Tena mafy ny mosary+ tao amin’ilay tanàna tamin’ny andro fahasivin’ny volana fahefatra, ka tsy nanan-kohanina intsony ny vahoaka.+ 4 Voagorobaka ny mandan’ilay tanàna,+ ka nitsoaka teo amin’ilay vavahady teo anelanelan’ny manda roa sosona, teo akaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka, ny miaramila rehetra raha mbola alina ny andro. Mbola nanodidina ny tanàna ny Kaldeanina tamin’izay. Dia nandeha tamin’ny lalana mankany Araba ny mpanjaka.+ 5 Nenjehin’ny miaramila kaldeanina anefa izy, ka tratrany teny amin’ny lemaka karakaina any Jeriko. Dia lasa niparitaka nandao azy daholo ny miaramilany. 6 Dia nosamborin’ny Kaldeanina ny mpanjaka,+ ka nentiny niakatra tany amin’ny mpanjakan’i Babylona tao Ribla. Ary nisy didim-pitsarana navoakan’izy ireo momba azy. 7 Dia novonoin’izy ireo teo imason’i Zedekia ireo zanany lahy. Ary nopotsirin’i Nebokadnezara ny mason’i Zedekia avy eo. Dia nofatorany tamin’ny gadra varahina izy, ary nentiny tany Babylona.+

  • Isaia 3:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 I Jehovah Tompon’ny Tafika no tena Tompo.

      Esoriny ao Jerosalema sy Joda ny andry iankinana sy ny vatsy rehetra,

      Dia ny sakafo sy ny rano rehetra,+

  • Ezekiela 4:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Hoy indray izy tamiko: “Ry zanak’olona, hataoko tsy misy sakafo tafiditra intsony* ao Jerosalema.+ Hitebiteby be izy ireo rehefa mihinana mofo efa voalanja,+ sady hihorohoro rehefa misotro rano efa voafatra.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara