FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 26:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Rehefa potehiko ny fitehirizana* mofonareo,*+ dia vehivavy folo no ho indray afaka hanao ny mofonareo ao anaty lafaoro iray ihany. Ary holanjainy izany rehefa hozarainy aminareo.+ Dia hihinana ianareo nefa tsy ho voky.+

  • Deoteronomia 28:53
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 53 Dia hohaninao ny zanaka nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao. Hohaninao tokoa ny nofon’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy,+ satria ho mafy be ilay fahirano sady hataon’ny fahavalonao mijalijaly ianao.

  • Jeremia 37:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Koa nanome baiko i Zedekia Mpanjaka hoe hotazonina ao amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina+ i Jeremia. Ary nomena mofo iray isan’andro avy tany amin’ny Lalan’ny mpanao mofo+ izy, mandra-pahalanin’ny mofo rehetra tao an-tanàna.+ Dia tao amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina tao foana i Jeremia.

  • Jeremia 38:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Izay mijanona ato amin’ity tanàna ity, dia ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana.+ Fa izay mitolo-batana* any amin’ny Kaldeanina kosa dia tsy ho faty, fa ny ainy no ho babony* ka ho velona izy.’+

  • Fitomaniana 4:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Main’ny hetaheta ny zaza minono ka miraikitra amin’ny lanilaniny ny lelany.

      Mangataka sakafo ny ankizy,+ nefa tsy misy manome.+

  • Ezekiela 4:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Hoy indray izy tamiko: “Ry zanak’olona, hataoko tsy misy sakafo tafiditra intsony* ao Jerosalema.+ Hitebiteby be izy ireo rehefa mihinana mofo efa voalanja,+ sady hihorohoro rehefa misotro rano efa voafatra.+

  • Ezekiela 5:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 “‘“Dia hihinana ny zanany ny ray eo aminao,+ ary ny zanaka hihinana ny rainy. Hampihatra didim-pitsarana aminao aho, dia haparitako any amin’ny vazan-tany efatra* ny olona sisa rehetra eo aminao.”’+

  • Ezekiela 5:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Ny ampahatelonareo dia ho fatin’ny areti-mandringana* na ho fatin’ny mosary, eo aminareo. Ary ny ampahatelony indray ho fatin’ny sabatra manodidina anareo.+ Ny ampahatelony sisa kosa haparitako any amin’ny vazan-tany efatra,* ary hanatsoaka sabatra aho hanenjehana azy.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara