-
Jeremia 21:8-10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 “Ary lazao amin’ity vahoaka ity hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah: “Ataoko eo anoloanareo ny lalan’ny fiainana sy ny lalan’ny fahafatesana. 9 Ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izay mijanona ato amin’ity tanàna ity. Fa izay mivoaka kosa ka mitolo-batana any amin’ny Kaldeanina, izay manao fahirano anareo, dia tsy ho faty fa ny ainy no ho babony.”’*+
10 “‘“Fa manohitra an’ity tanàna ity aho ka loza no hahazo azy fa tsy zava-tsoa”,+ hoy i Jehovah. “Hataoko resin’ny mpanjakan’i Babylona ity tanàna ity,+ dia hodorany.”+
-