-
Jeremia 27:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Izany koa no nolazaiko tamin’i Zedekia+ mpanjakan’ny Joda. Niteny taminy aho hoe: “Ampidino ho eo ambany ziogan’ny mpanjakan’i Babylona ny vozonareo, ka tompoy izy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.+ 13 Fa nahoana moa ianao sy ny vahoakanao no ho fatin’ny sabatra+ sy ny mosary+ ary ny areti-mandringana,+ araka izay nolazain’i Jehovah hoe hanjo an’izay firenena tsy manaiky hanompo ny mpanjakan’i Babylona?
-