9 Ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izay mijanona ato amin’ity tanàna ity. Fa izay mivoaka kosa ka mitolo-batana any amin’ny Kaldeanina, izay manao fahirano anareo, dia tsy ho faty fa ny ainy no ho babony.”’*+
12 Izany koa no nolazaiko tamin’i Zedekia+ mpanjakan’ny Joda. Niteny taminy aho hoe: “Ampidino ho eo ambany ziogan’ny mpanjakan’i Babylona ny vozonareo, ka tompoy izy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.+