FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 26:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Rehefa potehiko ny fitehirizana* mofonareo,*+ dia vehivavy folo no ho indray afaka hanao ny mofonareo ao anaty lafaoro iray ihany. Ary holanjainy izany rehefa hozarainy aminareo.+ Dia hihinana ianareo nefa tsy ho voky.+

  • Deoteronomia 28:49
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 49 “Hisy firenena avy any lavitra, avy any amin’ny faran’ny tany,+ hampirisihin’i Jehovah hiady aminao. Hifaoka tampoka toy ny voromahery ilay firenena.+ Fiteny tsy ho azonao no ampiasainy,+

  • Deoteronomia 28:51
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 51 Hohanin’izy ireo ny zanaky ny biby fiompinao sy ny vokatry ny taninao, mandra-pahalany ringana anao. Tsy hisy havelany ho anao na varimbazaha, na divay vaovao, na menaka, na zanak’omby, na zanak’ondry, mandra-pandringany tanteraka anao.+

  • Jeremia 37:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Koa nanome baiko i Zedekia Mpanjaka hoe hotazonina ao amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina+ i Jeremia. Ary nomena mofo iray isan’andro avy tany amin’ny Lalan’ny mpanao mofo+ izy, mandra-pahalanin’ny mofo rehetra tao an-tanàna.+ Dia tao amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina tao foana i Jeremia.

  • Ezekiela 4:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Hoy indray izy tamiko: “Ry zanak’olona, hataoko tsy misy sakafo tafiditra intsony* ao Jerosalema.+ Hitebiteby be izy ireo rehefa mihinana mofo efa voalanja,+ sady hihorohoro rehefa misotro rano efa voafatra.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara