-
Isaia 3:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Hanameloka ny anti-panahy sy ny andrianan’ny vahoakany i Jehovah.
“Nodoranareo ny tanimboaloboka,
Ary ao an-tranonareo ny zavatra nangalarinareo tamin’ny mahantra.+
-
-
Mika 3:9-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Mba henoy izao, ry lohany eo amin’ny taranak’i Jakoba,
Sy ianareo mpitondra eo amin’ny taranak’Israely,+
Ianareo mankahala ny rariny sy manolana an’izay rehetra mahitsy,+
10 Ianareo mandatsa-dra mba hanorenana an’i Ziona, ary manao ny tsy marina+ mba hanorenana an’i Jerosalema.
11 Ny mpitarika* eo aminy mitsara mba hahazoana kolikoly,+
Ny mpisorony mampianatra mba hahazoana karama,+
Mbola miantehitra amin’i Jehovah* ihany anefa izy ireo, ka milaza hoe:
“Angaha moa tsy eto amintsika i Jehovah?+
Tsy hisy loza hanjo antsika.”+
-