-
Jeremia 5:26-28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Fa misy ratsy fanahy amin’ny vahoakako.
Mitilitily tsy misy farany hoatran’ny mpamandri-borona mamitsaka ao amin’ny miafina izy ireo.
Mamelatra fandrika mahafaty izy ireo,
Ary olona no azony.
27 Toy ny tranom-borona feno vorona,
Dia feno fitaka koa ny tranony.+
Izany no mahatonga azy ireo hanana fahefana sy harena.
28 Nihanatavy sy mandimandina izy ireo.
Tafahoatra loatra ny ratsy vitany.
-
-
Mika 2:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 “Hahita loza ireo mitetika ny hanao ratsy,
Ary mieritreritra an’izany eo am-pandrianany!
Rehefa maraina ny andro dia tanterahiny ny eritreriny,
Satria vitany ny manao an’izany.+
-
-
Mika 6:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Mbola misy ao an-tranon’ny ratsy fanahy ve ny harena azony tamin’ny ratsy,
Sy ny efaha* famarana nohakelezina, izay maharikoriko?
-