-
Isaia 31:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 Hahita loza izay mandeha midina any Ejipta mba hitady fanampiana,+
Sy izay miantehitra amin’ny soavaly,+
Sy izay mitoky amin’ny kalesy fitondra miady satria hoe be dia be ireny,
Ary mitoky amin’ny soavaly fitondra miady* satria hoe tena mahery ireny.
Tsy mba mitodika any amin’Ilay Masin’ny Israely izy ireo,
Sady tsy mitady an’i Jehovah.
-
-
Jeremia 37:7, 8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 “Izao no lazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Izao tenenina amin’ny mpanjakan’ny Joda, izay naniraka anareo hanontany ahy: “Henoy izao! Hiverina any amin’ny taniny, any Ejipta, ny tafik’i Farao izay tonga hanampy anareo.+ 8 Dia hiverina indray ny Kaldeanina ka hanafika an’ity tanàna ity sy haka azy ary handoro azy.”+
-