17 Ary fantatro tsara fa mandinika ny fo ianao, ry Andriamanitro ô,+ sady mahafinaritra anao ny olona tsy mivadika.+ Tamin’ny fo madio no nanomezako an-tsitrapo an’ireo zavatra rehetra ireo. Tena faly koa aho mahita an’ireto vahoakanao ireto manao fanatitra an-tsitrapo ho anao.