FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 29:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Amin’izany andro izany, dia haheno ny teny ao anatin’ilay boky ny marenina,

      Ary hahita ao amin’ny maizina sy ny haizim-pito ny mason’ny jamba.+

  • Jeremia 6:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 “Iza no hitenenako sy hampitandremako?

      Iza no hihaino ahy?

      Tsentsina* ny sofin’izy ireo, ka tsy afaka mandre.+

      Ataon’izy ireo tsinontsinona ny tenin’i Jehovah,+

      Sady tsy mahafinaritra azy.

  • Marka 7:32-35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 Ary nentin’ny olona teo aminy ny lehilahy iray marenina sady niraiki-dela,+ ka niangavian’izy ireo izy mba hametra-tanana taminy. 33 Dia nentin’i Jesosy nitokana lavidavitra ny vahoaka ilay lehilahy. Ary nampidiriny tao an-tsofin’ilay lehilahy ny rantsantanany, ka nandrora izy, dia avy eo nokasihiny ny lelan’ilay lehilahy.+ 34 Ary nijery ny lanitra izy sady nisento lalina, ka niteny tamin’ilay lehilahy hoe: “Efata”, izany hoe: “Misokafa.” 35 Tonga dia lasa nandre+ ilay lehilahy,* ary tsy niraiki-dela intsony izy ka nanomboka nahay niteny tsara.

  • Lioka 7:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Dia namaly azy roa lahy izy hoe: “Mandehana tantarao amin’i Jaona izao hitanareo sy henonareo izao: Lasa mahita ny jamba,+ mandeha ny malemy, voadio ny boka, mandre ny marenina,+ atsangana ny maty, ary itoriana ny vaovao tsara ny mahantra.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara