-
2 Mpanjaka 18:26, 27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Dia hoy i Eliakima zanak’i Hilkia, sy Sebna,+ ary Joa tamin’ilay Rabsake:+ “Mba ataovy amin’ny teny aramianina*+ re ny zavatra resahinao aminay mpanomponao e! Azonay ihany mantsy izany. Aza mampiasa fitenin’ny Jiosy fa henon’ny olona eny ambony manda.”+ 27 Hoy anefa ilay Rabsake: “Angaha ianao sy ny tomponao fotsiny no nasain’ny tompoko hilazana an’izany, fa tsy ireo olona mipetraka eny ambony manda ireo koa? Ireo koa ange hihinana ny tsy fihinany* sy hisotro ny tsy fisotrony* miaraka aminareo e!”
-