-
2 Mpanjaka 19:22-24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Mila ady amin’iza ianao, ary maniratsira an’iza?+
Iza no tabatabainao,+
Ary mianjonanjona amin’iza ianao?
Tsy amin’iza fa amin’Ilay Masin’ny Israely!+
23 Ny iraka nalefanao+ no nirahinao hila ady amin’i Jehovah,+ ka hoy ianao:
‘Hoentiko ny kalesy be dia be fitondra miady
Dia hiakatra eny amin’ny tendrombohitra avo indrindra aho,
Any amin’ny faritra lavitra indrindra ao Libàna.
Hokapaiko ny hazo sedera avo sy ny hazo zenevrie tsara indrindra any.
Dia hiditra ao amin’ny toerana fiafenana faran’izay lavitra aho, any amin’ny alany faran’izay mikitroka.
24 Handavaka lava-drano aho ary hisotro rano avy any an-tany hafa.
Hataoko ritra ny renirano* rehetra any Ejipta ka ny faladiako no hanaovako an’izany.’
-
-
Isaia 10:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Amin’izany andro izany, dia tsy hiantehitra amin’ilay namely azy intsony+
Ireo sisa tavela amin’i Israely,
Sy izay sisa miangana amin’ny taranak’i Jakoba.
Fa hiantehitra amin’i Jehovah, Ilay Masin’ny Israely, kosa izy ireo,
Sady tsy hivadika aminy.
-